Tongava any an-trano (Clo Mahajanga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Zay very olomanga, very hava-tianaTsy maintsy ho nitranga ny mpitondra fifaliana, ho an’ny ho avinay
Ny lasa homba ny lasa ny ho avy no tazaniko
satria ny ankehitriny efa tonga ao an-tranoko, hiaraka izahay
Dia zary fanambinana izay nitsiky tamiko
Masoandro miramirana mitaratra ao an-tranoko, tsy ho maizina izahay
Tongava any an-trano raha tianao ho porofoina fa miaraka izahay
hanangana ny ho avinay, mifandefitry
mba ahafataran’olona fa izany zahay an-tokatranonay
Ny ady tsy mankaiza, mifandefitra no tsara
Fitia tsara taiza no hiarahanay mizara mba ho filaminanay
Zahay koa mba maniry ny hanjakan’ny fifaliana
Ianao lanjan’ny sasany ny hazo fijaliana, mba hiadananay
Ny kely am-pelatanana tsy maintsy ampy anay
Ho toy ireo namana efa niafy hatramin’izay, vonona izahay
Ianao Zanahary zay mpiaro ny mpifankatia
Arovinao ny lalanay, omeo fiadanana izahay
Mba ho tody, ho tody soa amantsara ny tanjonay,
ho sambatra izahay,
Izy no hianteherako, zaho no andry hiankinany
Mifanohana, maniry mba ho lavitry ny olana, ny tokantranonay
Tongava any an-trano fa ho raisinay tsara ianao
Maharena tonkantrano, fa ho avy izahay hamangy anao
Tongava any an-trano fa ho raisinay tsara ianao
Maharena tonkantrano, fa ho avy izahay hamangy anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Clo MahajangaVangy : 1132
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/04/2019 22:59