Fanahy Masina (Chorale Feon'ny Fanahy Masina)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Fanahy Masina o, Fanahy maheryMidina aminay ianao
Hampanjaka sy Hampiray
Izahay tanoranao
Ninoninona izay ataonay
Dia tsy ho tanteraka avokoa
Raha tsy ianao no miaraka aminay
Dia ho zava-poana izay rehetra atao
Réf: Ka raha ny herinay foana
Dia tsy afaka hanatontosa izany
Fa ny herinao anie
Hombanay anay @ zay aleha
Ninoninona zay hanjo
Na mora na ho sarotra koa
Matoky aho fa manana anao
Hiaro sy hitantana anay
2- Fanahy Masina o, Fanahy mahery
Omeo fahendrena izahay
Hanavaozanay ny ara-panahinay
Ho masim-piainana
Sy handraisanay anjara masina
Eo @ Fiangonanay
Satria ny herinao no miasa hatrany
Hanavaozanay ny fiainanay
3- Fanahy Masina o, Fanahy mahery
Mba omeo anay
Ny Fanahy mahay miray
Hifampizarazara ny soa
Hifankatia hatrany, tsy hisaratsaraka
Fa tena mpianatry Kristy
Hampiely ny hafatrao an-kira
Eran'ny vazan-tany
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Chorale Feon'ny Fanahy MasinaVangy : 170
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Scia
Daty : 23/05/2025 23:06
