Ho avy (Chantal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Nafaranareo izaho, hiverina an-tanàna
Ho avy tokoa any e, hiomana aho dia andeha
Hifoha maraina be e, andeha tongotra ela be e
Miampita lakana, fa izaho tsy kivy fa tsy maitsy tonga any

Fiv: Sedraiko ny olana fànala sy ny hatsiaka eee
Satria izaho malahelo ny tany misy antsika e
Mba manakory izay ry ikaky sy ry neny ao eee
Ry zoky sy ry zandry, dadabe sy nenibe

Mba ho lasa lavitra amin'ny fianarana
Avy dia nilaozana avokoa ireo namana an
Zato kilometatra miala any aminay
Ny tanàn-dehibe misy ny sekolinay

Oia e! iee ho avy vao maraina
Raha resaka fodiana izaho mazoto tsy malaina
Malahelo, mafy ny mahazo
Homany ao ny katsaka vomanga sy mangahazo ôô

2- Na fihafiana foana re ny tanjonay tsy miova
Tsy manana antenaina, fianarana no lova
Tsy adino ny tanàna nitaiza naha-lehibe
Rahampitso dia hody any
F'efa tsy hitako elabe

Fiv: ×2
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Chantal
Vangy : 8001
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Ambwar
Daty : 22/08/2018 14:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0841