Ventso takariva (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Singan'olona rgxeqhj toa very izany izaho
Ravinkazo tafasaraka aman-taho
Tapak'ahitr(a) entin-driaka ka indrisy
Izay mba toera-nitodiana toa tsy misy

Zana-borona cfja nanintan'elatra aho
Raiki-tahotry ny orambe mitraho
Tsy mba zatra ny dzhco fanala an-keniheny
Ka maniry ny homban'ny ela-dreny

Manantena sady miandry fatratra aho
Ka ny taratrao ry volana hapariaho
Dia vimbino izany alahelo izany
Fa ianao no tazana eto tsinjo any

Ombimanga diso tononkira.serasera.org ala mantsy aho
Manin-kavana tsy foy ka mitalaho
Any ambadika atsimon'iny bainga
Izay milaza tsy hisento re mandainga

Singan'olona toa very izany izaho
Sady tolan(ny manjo ka hivavao
O ry Zoky,O ry Zandry hany fara Irario mba ho tafita soamantsara

O ry kintana ombay manatrika aho
Mila tsy ho very dia ka iresaho Ianareo no solon-kava-mahatratra
Izarako izay mba zavatra mihatra

Dia veloma sy masina indrindra ho'aho
Ny fiarovan'ny Tsitoha no angatao
Izany sandriny mahery tsy hiala
Fa hivimbina ny dian'ny malala

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 8219
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : lal'aina pisou
Daty : 28/07/2015 19:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0312