Ampidiro aloha ny tenimiafina
Tsy miova adiresy (Augustine Raminomalala sy Julien Rabemanantsoa)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hisaraka isika ka dia hifandaoHafatra sisa no hany atao
Raha sendra tafiotra hanembana dia
Herezo ny saina ka dia matokia
Tsarovy ilay vetson'ny fo ka fongary
Hiantefa avokoa amin'ny zavaboahary
Rehefa any ho any ataovy ankisesy
Ireo taratasy tsy miova adiresy
Hiombona tsiky hatrany hatrany
Hiray donakafo raha eto an-tany
Hiara-mifaly tsy hitsetra akory
Hifampatsiahy raha sendra mahory
Hiombona tsiky hatrany hatrany
Hiray donakafo raha eto an-tany
Hiara-mifaly tsy hitsetra akory
Hifampatsiahy raha sendra mahory
Tsarovy ilay vetson'ny fo ka fongary
Hiantefa avokoa amin'ny zavaboahary
Rehefa any ho any ataovy ankisesy
Ireo taratasy tsy miova adiresy
A/C: RASAMOELIJAONA WILSON
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Augustine Raminomalala sy Julien RabemanantsoaVangy : 15
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : iotimah
Daty : 27/01/2026 08:35
