Tsy miova adiresy (Augustine Raminomalala sy Julien Rabemanantsoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hisaraka isika ka dia hifandao
Hafatra sisa no hany atao
Raha sendra tafiotra hanembana dia
Herezo ny saina ka dia matokia

Tsarovy ilay vetson'ny fo ka fongary
Hiantefa avokoa amin'ny zavaboahary
Rehefa any ho any ataovy ankisesy
Ireo taratasy tsy miova adiresy

Hiombona tsiky hatrany hatrany
Hiray donakafo raha eto an-tany
Hiara-mifaly tsy hitsetra akory
Hifampatsiahy raha sendra mahory

Ireo fahatsiarovana koa no soraty
Ho raiketina indrindra alatsaka anaty
Ka raha mbola velona dia hifankahita
Hanohy izany dinika mbola tsy vita

Ny rotsy mangina voasoratra hatrany
Ny fahasalamana ho tsara aok’izany
Hifamezivezy sy hifanesy
Hatramin’ny mbola tsy miova adiresy

Tsarovy ilay vetson'ny fo ka fongary
Hiantefa avokoa amin'ny zavaboahary
Rehefa any ho any ataovy ankisesy
Ireo taratasy tsy miova adiresy


A/C: RASAMOELIJAONA WILSON
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Augustine Raminomalala sy Julien Rabemanantsoa
Hits : 145
Likes : 1 Like
Created by : iotimah
Date : 27/01/2026 08:35
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0367