Mamaka (Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mamaka anatinay ny Teninao ry Ray
Nitaiza sy nampiorina ny Finoanay
Ka n'inona natao, na ady sarotra
Tsy misy mafy izay tsy azonay niaretana

Fiv :
Ny feonay izao mitodika Aminao
Ny antsanay maneho fa tena tsara Ianao
Fa taona maro izao noporofoinao
Tsy diso ny safidinay nanaraka Anao
Tsy diso ny safidinay nanaraka Anao

2- Manome hery anay ny toky omenao
Fa Ianao tsy ahafoy na koa hoe handao
Ka n'aiza no haleha na ho sarotra ny dia
Tsy misy ahasaraka anay Aminao ry Tompo tia

Fiv :
Ny feonay izao mitodika Aminao
Ny antsanay maneho fa tena tsara Ianao
Fa taona maro izao noporofoinao
Tsy diso ny safidinay nanaraka Anao
Tsy diso ny safidinay nanaraka Anao

3- Hiezaka izahay mba ho fitaovana
Hampahery ireo izay mitanondrika
Hitory ihany koa izay inoanay
Hizara hatraiza hatraiza Anao 'lay Zanaka Fanahy

Fiv :
Ny feonay izao mitodika Aminao
Ny antsanay maneho fa tena tsara Ianao
Fa taona maro izao noporofoinao
Tsy diso ny safidinay nanaraka Anao
Tsy diso ny safidinay nanaraka Anao

T/F: Rabearivelo Mamy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Antsan'ny Finoana - FJKM Manarintsoa Finoana
Vangy : 33
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mamyboo
Daty : 21/10/2024 15:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801