Eny sa tsia! (AmbondronA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hey, mba andraso kely angeTe hilaza aminao aho hoe:
"Maika ve ianao?!"
Hey, vetivety fa tsy ela be
Ts’izany mantsy fa te handre
Lay valiny aho
Namaly ianao hoe (sady toa nihomehy)
"Aza mananihany ianao" (Fa lany fotoana aho)
Ka andraso kely hoy aho,
Fa diso ianao (fa diso ianao)
Ka mba valio aho
Toa nofinofy ihany, ny aina nanontany
Toa noraisinao, ho hanihany!
Nefa tamin’ny fo, sady efa ela moa
Ka ataoko sao, mba ho ekenao koa
Hey, mba niandry ela aho
Niandry ilay valin-teninao
Ka mba lazao
Hey, izaho anie tena tia
Ka tsotra ihany "eny sa tsia"
No andrasako aminao
Namaly ianao hoe (sady toa nihomehy)
"Aza mananihany ianao" (Fa lany fotoana aho)
Ka andraso kely hoy aho,
Fa diso ianao (fa diso ianao)
Ka mba valio aho
Toa nofinofy ihany, ny aina nanontany
Toa noraisinao, ho hanihany!
Nefa tamin’ny fo, sady efa ela moa
Ka ataoko sao, mba ho ekenao koa...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AmbondronAVangy : 10507
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Ramasomanana Rindra (semigany)
Daty : 02/03/2004 09:41