Ampy ahy (Alkah & M'rad)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Be dia be ny tsaratsara tsisy asoloko anao lady ehFa tena tiako loatra ianao mahatonga zaho mi-bedy eh
Tsy hitambarako amin'olo ianao fa efa anahy rery eh
Lady resaka matotra fa tsy hoe mirediredy eh
Fa raha mbola eto antany tsisy asolo anao izany
Ny life-ko rehetra akia no lasanao any
F'efa ianao hoy aho no anjarako tsy mila hafa izany
Fa fitiavana Marina io avy amin'Jah akany (gyal)
F'ianao irery ihany no mba hany fitokiako
Ny hafa ankoatranao efa nariako
Ekeko fa miha maro vandivandy tsikotsiko fa
Efa ianao ihany hoy aho no tiako eh,tiako eh (uhm uhuhuhmmm)
Efa ianao ihany hoy aho no tiako eh , tiako eh (ayayayah)
ref :
ka na maro ny tsara efa ianao ny ahy no tiako ka ataoko ampy ahy
Efa ianao ny ahy no anjara matoa nofidiako dia ataoko ampy ahy
Efa babo aho ka tsy hisalasala
Efa endry aho ka tsy hiadaladala
Ndao hiriana tsy ho ritra ny antsika malala fa mandrakizay
Haiko ny tsara tsy ho lany eh
Fa ny ankoatranao tsy mahaliana
Fa ny bandy tsy mandrora mitsilany
Ka vady tompon-trano indray ve no mpijaliana?
Raha vola aman-karena aloa tsy ananako
Tsy manana aho raha volamena fa fitia no misy ah
Ka na hitsiriritra anao ny namako
Ianao efa ampelatanako ka tsy omeko mihintsy anh
F'ianao tsaiky tsy malandy eh
Midoboka ny foko vao ianao mikaiky zaho hoe zah koa bandy tsy mavandy
Mafy ialahy raha hiandry hiandrandra anay hisaraka fa izany aloa dia tsisy sao hibontsina ny vangy eh
Fa ny valala tsy in-droa mandry ambavahady eh
Tokana eto an-tany ianao ka tsy misy faharoa
Milay ianao malala tsy sipa ianao fa vady eh
Verezinao alavitra izay sipako taloha
Fa ampy ahy,ilay tsikinao malefaka dia ampy ahy
Tsy mila olon-kafa hanambitamby ahy ay ay ayh
Misy anao izaho no cry
ref :
ka na maro ny tsara efa ianao ny ahy no tiako ka ataoko ampy ahy
Efa ianao ny ahy no anjara matoa nofidiako dia ataoko ampy ahy
Efa babo aho ka tsy hisalasala
Efa endry aho ka tsy hiadaladala
Ndao hiriana tsy ho ritra ny antsika malala fa mandrakizay
ref :
ka na maro ny tsara efa ianao ny ahy no tiako ka ataoko ampy ahy
Efa ianao ny ahy no anjara matoa nofidiako dia ataoko ampy ahy
Efa babo aho ka tsy hisalasala
Efa endry aho ka tsy hiadaladala
Ndao hiriana tsy ho ritra ny antsika malala fa mandrakizay
ref :
ka na maro ny tsara efa ianao ny ahy no tiako ka ataoko ampy ahy
Efa ianao ny ahy no anjara matoa nofidiako dia ataoko ampy ahy
Efa babo aho ka tsy hisalasala
Efa endry aho ka tsy hiadaladala
Ndao hiriana tsy ho ritra ny antsika malala fa mandrakizay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Alkah & M'radVisites : 27
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Mafianaty
Date : 19/05/2026 11:49
