TENA MAMIKO (Do dia Ab) (AK(Amboaran-Kira) FJKM VINANY TEMPOLY MALALA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Isaorako Anao Andriamanitra ô
Ny halehiben'ny fitiavanao ahy
Tsy nojerenao tamin'ireo ota vitako aho
Fa nojinerim-pamindra fonao.DC

Réfrain:
Tena mamiko sy sitrako tokoa
Ry Tompo sy Mpanjakako Tsitoha
Raha ny eo anilanao manomboka izao
Ho ampitso ary ho mandrakizay

2)Aza misalasala manantona izao
F'Ilay Jeso tia anie ka miandry anao
Mampanantena anao fa ho fiainam-baovao
Raha mino sy mivavaka ianao
Ho anao izay te handova paradisa soa
Tena ilain'ny Tompo ny madio fo
Ka mifonà sy mibebaha izao anio izao
Hamiratra tokoa ny ho avinao
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 14:17)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AK(Amboaran-Kira) FJKM VINANY TEMPOLY MALALA
Vangy : 2399
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tralotoh
Daty : 03/12/2013 11:34
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1285