INDRO TOMPO(DO dia Ab:Milamindamina) (AK(Amboaran-Kira) FJKM VINANY TEMPOLY MALALA)

1)Ô ry Tompo tia avia fa mila Anao 'zahay
Andry iankinanay sy itokianay Ianao
Tano re sao dia very
Ka aza havela handeha irery
Hazony mafy anilanao raha toa ka sitrakao
Ny fanahiko iriko ho havaozinao Jesoa
Ka tsy hisy pentina na kely anatrehanao
Mba ho mendrika Anao tokoa
Hijoro ho mpanomponao Ray
Ho fiainana mamirattononkira.serasera.orgra no ho hitako indray

Réfrain:
Indro Tompo fa homeko Anao izao dia izao
Hafoiko ho Anao ny foko tena sy fanahiko
Mba raiso mba raiso fa maniry hitoetra eo an-kavananao


2)Raha ny amiko dia efa diso fantatrao Jesoa
Mampanontany tena ahy fa dia nahoana moa
Fa mbola tsy diso anjara mandray ny fitahianao ihany
Misaotra Tompo fa fitiavanao izaany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AK(Amboaran-Kira) FJKM VINANY TEMPOLY MALALA
Mpamaky : 1345
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : tralotoh
Tamin'ny : 04/12/2013 08:49:42
ID : 6425

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo