Inty aho Tompo (AFI Ambohidanerana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga Ianao ho fahafahako
Ao aminao ny fahavelomako
Atolotrao izay mahasoa
tompo o! Ianao mpanjakako

Fa ny lalanao mahitsy
Tsy hizorako mihitsy
Izay voafefy sy voarara
No heveriko fa tsara

ref: Inty aho Tompo o havaozy indray
Tsy ho sada fa ho loko iray
Mba ho masina hitoetra ato anaty
Ilay fitiavanao nanaiky ho faty

Tsy afa-mandeha satria mifatotra
Fangaina re Jesoa mpanavotra
mangahiahy ka mba jereo
Ny momba ahy Jesoa tefeo

ref: Inty aho Tompo o havaozy indray
Tsy ho sada fa ho loko iray
Mba ho masina hitoetra ato anaty
Ilay fitiavanao nanaiky ho faty

Fitiavana tokoa ianao ry Ray
Fiadanana ho ahy hatramin'izay
Ny hoaviko alahatrao
ny amiko dia fantatrao

Fa izay sitraky ny foko
No mazana imasoako
Fa ny hasinao Mpamonjy
Toa tsy tsapako intsony

ref: Inty aho Tompo o havaozy indray
Tsy ho sada fa ho loko iray
Mba ho masina hitoetra ato anaty
Ilay fitiavanao nanaiky ho faty
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFI Ambohidanerana
Vangy : 1632
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ainga fitia
Daty : 12/11/2018 11:37
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0918