You are here: home > Tononkira > 'Zay

Sary indray mipiaka ('Zay)

Raha toa ka ilay endrikao
Kanto sady soa
No entinao mambabo ilay fo
Raha toa ka ilay bikanao
Mampiherika ny maro
No hany antony itiavako anao
Mety ho vetivety ihany
Tsy haharitra ela akory
Dia ho ravan’ny fotoana izy ireo

Raha toa ka ivelany ihany
No hampifamatotra
Heverina na aharitra ela be
Dia mbola maro any ho any
Ireo tsara toa anao
Azo hifantenana izay ho tiavina
Mety ho vetivety ihany
Tsy haharitra ela akory
Dia ho ravan’ny fotoana izy ireo

Ilay ao anatinao
Dia ilay fanahinao
No andry letononkira.serasera.orghibe indrindra
Tena maha-ianao anao
Fa raha ny endrika sy bika
Mety ho sary indray mipiaka

Mmmmmmmyayayaaaa…

Mety ho vetivety ihany
Tsy haharitra ela akory
Dia ho ravan’ny fotoana izy ireo
Ilay ao anatinao
Dia ilay fanahinao
No andry lehibe indrindra
Tena maha-ianao anao
Fa raha ny endrika sy bika
Mety ho sary indray mipiaka

Ilay ao anatinao
Dia ilay fanahinao
No andry lehibe indrindra
Tena maha-ianao anao
Fa raha ny endrika sy bika
Mety ho sary indray mipiaka

Fa raha ny endrika sy bika
Mety ho sary indray mipiaka

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 7054
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : laoum
Tamin'ny : 01/10/2012 09:39:16
ID : 6193

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo