Samy te ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ireo masonao rehefa mijery ahy iny
Toa mipitrapitra indraindray
ilay tananao rehefa maharay ahy iny te hanafosafo indraindray
No ahatsapako fa misy fitiavana ahy ao anatinao
Ireo fihetsikao toa misaritaka iny rehefa eo aho indraindray
Ilay fitsikinao tsy ataonao amin'ny hafa fa amiko ihany indranidray
No ahatsapako fa misy fitiavana ahy ao anatinao
No ahalalako fa misy fo mitempo ho ahy ao aminao

Saingy tsy nolazainao ahy
Satria manahy mantsy ianao
Fa hoe izaho tsy manana, tsy mba manana fitiavana ho anao
Ka aleo izaho no hiteny azy mitovy anie isika roa
Samy te hiara-dalana hifampitananana te hifampizara fitiavana

Ireo soratrao mandefa hafatra iny rehefa mahatsiaro ahy indraindray
Toa fehezanteny misy fihetseham-po misy fitia feno fo kely
No ahatsapako fa misy fitiavana ahy ao anatinao
No ahalalako fa misy fo mitempo ho ahy ao anatinao

Na tsy hiteny aza ianao haiko ny ao am-ponao
Mitovy anie isika, samy te hiara-dia.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 'Zay
Vangy : 1849
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : rasoa15
Daty : 31/10/2019 21:43
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3719