You are here: home > Tononkira > 'Zay

Nitempo anao ('Zay)

Eny tsy maintsy handeha ianao androany
Handeha hamonjy ny akany
Fohy ilay fotoana nahalalako anao
Fa tena mamy sy tsy hay hoadinoina
Eny, ianao moa tsy natao ho honina eto
Izaho koa tsy afaka ny ho any
Ankiniko amin-dRay ny momba  antsika
Indray andro any, rehefa anjara, hihaona ihany
Sento miharo tsiky kely indro miakatra
Tsy mahafoy ny anilanao, tsy te hisaraka

Refrain:
Ka raha tsy hihaona intsony ary ny lalantsika roa
Raha tsy ho anjarako intsony ny hahita anao
Hataoko ampy ahy ireo fotoana matononkira.serasera.orgmy
Niainako teo aminao

Eny, efa hitanao moa ny misy ahy
Ka raha toa indray andro any Misy ny faniriana te-hiverina Miandry anao ilay fitia notairinao

Ref.  
Ka raha tsy hihaona intsony ary ny  lalantsika roa
Raha tsy ho anjarako intsony ny
hahita anao
Hataoko ampy ahy ireo fotoana  mamy
Niainako teo aminao

Interlude

Refrain:
Ka raha tsy hihaona intsony ary ny  lalantsika roa
Raha tsy ho anjarako intsony ny  hahita anao
Hataoko ampy ahy ireo fotoana  mamy
Niainako teo aminao
Fohy fa tao anaty tao
Ilay fo nitempo anao

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 275
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Dreamlover14
Tamin'ny : 20/10/2021 15:35:20
ID : 13681

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo