You are here: home > Tononkira > 'Zay

N inona hitranga ('Zay)

Aleo hitabataba
Aleo hivazavaza
Rehefa leo ve tsy hangina
Ho vizana, ho sina

Ny làlantsika roa e,
Tsy hiato, hitohy hatrany.
Tsy misy hamakiana loha é,
Fa aleo izay ho avy dia ho avy !

Ref : Na tsara aza ataonao,
Hovoakina foana ianao
Ireo tsy tia sy mpankahala
Ho eo foana hanadàla
Ka aleo mandroso foana
‘Zay vavany tsy ahona
N’aiza n’aiza eto an-tany
Fomban-Tsiky dia ampyjavatra izany

N’inona n’inona hitranga
Na ny lanitra ho manga
Na ho maloka mangina, Jeso
Ianao ‘lay mpanazava

Raha jereko ny andro lasa
Tao ny tsiky, tao ny ratra
Nefa ianao ‘lay mpampahery, Jeso
Ianao ’lay mpampahery

N’inona n’inona hitranga, Jeso
N’inona n’inona
Izy antsoina é !
N’inona n’inona hitranga, Jeso
N’inona n’inona
Izy eo foana a !

(Album : Nantenaina)

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 6080
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : jenni
Tamin'ny : 23/10/2004 18:39:07
ID : 2658

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo