You are here: home > Tononkira > 'Zay

Mandehana ('Zay)

https://tononkira.serasera.org/hira/zay/mandehana-3

Reraka aho miantsoantso
Leo ny manao andraso
Lasa ianao eh ieh
Vizaka aho mivazava
Mila ho tataka ny vava
Lasa ianao eh ieh

---------
Ref:

Fa misy inona mihintsy ao aloha ao
Fa azon’ inona no maika toy izao
Samy ho any anie
Lalana iray no aleha
Raha matahotra ny ho tara
Mandehana eh ieh

Mandehana raha maika
Aza miheritreritra
‘Zato ianao toa tstononkira.serasera.orgy laitra
‘Zay dia tsy mba niherika
--------

Mihevitra ahy toy ny tsy nisy
Tsy mba niherika mihintsy
Lasa ianao eh ieh
Mihevitra ahy toy ny adala
’Zaho anefa tsy manala
Lasa ianao eh ieh

--------
Ref
--------

Mandehana mandehana mandehana mandehana
’Ndana raha maika eh

Mandehana raha maika
Aza miheritreritra
‘Zato ianao toa tsy laitra
‘Zay dia tsy mba niherika

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 4203
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : R Niaina
Tamin'ny : 23/05/2003 21:16:07
ID : 1688

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo