Manahirana ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy afaka hitafa ela intsony aho
Tsy afaka hiresaka ela aminao
Fantatrao fa efa manana ny fiainako aho

Aza raisinao ho avonavona
Raha miova ny fihetsiko aminao
Fantatrao fa efa manan’olonkafa aho
Izy ilay nisolo anao

Ref : Fandrao dia manahirana, ho sahirana aho
Raha hitany miaraka aminao
Ireo manodidina, hanakina ahy
Hilaza fa mbola tsy matotra

Tsy hotantiko izy mantsy raha manahy
Fa izaho dia mbola mierika aminao
Sy manembona ireo fiainana teo aminao
Raha ny ahy sy ny azy aloha no asiana teny
Dia tena fitiavana ombieny, ombieny
Tena mamiko ka tsy tiako ho soloina intsony
Tsy tiako haratra koa ny fony.

Ref : Fandrao dia manahirana, ho sahirana aho
Raha hitany miaraka aminao
Ireo manodidina, hanakina ahy
Hilaza fa mbola tsy matotra
--------
Rohy:
Hevitra
goodnssgirl ( 01/07/2017 14:04)
How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 'Zay
Vangy : 18307
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Heriniaina
Daty : 21/10/2001 23:10
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736