You are here: home > Tononkira > 'Zay

'Lay tanantsika ('Zay)

https://tononkira.serasera.org/hira/zay/lay-tanantsika

Hotsahivintsika androany ilay fotoana iray
Fotoana voalohany
Nifampizarana ny soa sy ny mamy
Dia ilay fitiavana
Fotoana tsy ho adino ary efa voatondro
Fa hoe manomboka eo
Ilay tantara nitohy ary irina
Ho mandrakizay

’Lay tanantsika nifandray
’Reo fotoana mitempo ho iray
Mitempo fitiavana
Tsiky dia ampy’Lay masonao mijery ahy
Nambabo ireo fo sy fanahy
Niandoha teo ’lay fiarahana

Betsaka ireo sedra ’zay nandalo avy eo
Ireo sento miara-manahy
Ireo fankam-panahy izay nihelo eo
Hatramizao raha vao manahy
Ankinina amin’i Ray ireo ’zay mbola ho avy
Mba tsy havalona azy
Ka ’lay fitiavantsika hitohy
Ho mandrakizay

Hevitra mandeha

kaloinapri (03/01/2020 12:23:59)

TSARA

FARASOA1 (06/02/2018 09:21:12)

I dedicate this song to Bainlita. Even if our story is difficult to live, I am going to make efforts to love you my darling

goodnssgirl (01/07/2017 11:55:21)

How are you today.I will like to discuss important issue with you.Please write me through this email joylentreya014@yahoo.com so that i will explain to you send you my picture

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 13587
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 25/09/2005 16:23:04
ID : 3283

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo