You are here: home > Tononkira > 'Zay

Hafa tsy ianao ('Zay)

Eo aminao no mba nahalalako
Izany atao hoe tena fitiavana
Avy any aminao koa no nahatsapako
Ilay tena fahasambarana

Fantatro f'ianao tsy hoe tonga lafatra
Na antsoina koa hoe fanaperana
Saingy ianao ihany no haiko nomena
Fitia feno tsy haiko noferana

Ref :
Ka na iza ho sahy hilaza
Na iza koa hitabataba
Fa hoe tsy azoko atao
Ny mitoetra eo anilantononkira.serasera.orgao
Ilay foko mihitsy no efa tony
Tsy aheno intsony
Tsy afaka hitia olon-kafa
Hafa tsy ianao

Fantatro f'ianao tsy hoe tonga lafatra
Na antsoina koa hoe fanaperana
Saingy ianao ihany no haiko nomena
Fitia feno tsy haiko noferana

Ref : Ka na iza ho sahy hilaza ... (x2)
Ilay foko mihitsy no efa tony
Tsy aheno intsony
Tsy afaka hitia olon-kafa
Hafa tsy ianao
Hafa tsy ianao...

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 284
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Nohisoa
Tamin'ny : 09/05/2022 15:33:56
ID : 14203

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo