You are here: home > Tononkira > 'Zay

Fitia mandainga ('Zay)

Ireo fihetsikao, manalasala
Milaza fa tia, tena tia tokoa fa tsy manadala
Nefa raha jerena, mampihafahafa
Toa fitia mandainga
Misy tetika, tanjona hafahafa

Be safary loatra, fa tsy mba tsotra
Mahay mampandriandrisa,Tsiky dia ampy
Mitanisa izay tsy ho vita
Nefa tsy mampino fa hoe fitia madio
'Ilay fitiavanao ahy zary toa mampiahiahy

Aleoko ihany ilay any
'Lay efa tiako hatrizay
Tsy foiko sady tsy mahafoy ahy
Izy ihany no mba hany
'Lay fitiavana , tsy miaro fanambazana

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : 'Zay
Mpamaky : 3740
Mpakafy : 2 Ankafizo
Nampidirin'i : henitsoa21
Tamin'ny : 24/10/2016 15:01:59
ID : 8903

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo