Ô ry kala ('Zay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba mahatsiaro kely aho dia mitantara
Mba nandalo tao antsaiko ireo nitranga
Dia ilay tantarantsika sy ianao
No tsaroako tao

Dia hoy ianao hoe io fa mbola tavela
Mbola mankafy ireo rakitry ny ela
Mbola maminy ireo zava-natao
Mbola tia anao

Fijery ivelany ihany raha ny eritreritrao
Mba nahatsiaro fotsiny aho fa diso ianao

Hono ho'aho
Fa angaha raha hoe mba mitantara
Dia hoe mbola tara, mbola manembona anao?
Diso ianao r'ikala

Hono ho'aho
Fa angaha raha hoe tsy manadino
Dia hoe mbola mino
Fa mbola hiaraka

Raha misento ve dia hoe mbola tia
Raha mitsiky ve dia hoe mankafy
Indraindray koa mba tsy te hanambara,
Mba mihatsara ivelantsihy.

Raha mahatsiaro ve dia hoe mbola mino
Nefa ny tantara tsy fanadino
Dia ilay tantarantsika sy ianao
No mba tsaroako tao

Fijery ivelany ihany raha ny eritreritrao
Mba nahatsiaro fotsiny aho fa diso ianao.

Hono ho'aho (diso ianao)
Fa angaha raha hoe mba mitantara
Dia hoe mbola tara, mbola manembona anao?
Diso ianao r'ikala

Hono ho'aho (diso ianao)
Fa angaha raha hoe tsy manadino
Dia hoe mbola mino
Fa mbola hiaraka

O ry kala
Diso ianao ry kala
Diso ianao ry kala ô

O ry kala
Diso ianao ry kala
Diso ianao ry kala ô

Fijery ivelany ihany raha ny eritreritrao
Mba nahatsiaro fotsiny aho fa diso ianao.

Hono ho'aho (diso ianao)
Fa angaha raha hoe mba mitantara
Dia hoe mbola tara, mbola manembona anao ?
Diso ianao r'ikala

Hono ho'aho (diso ianao)
Fa angaha raha hoe tsy manadino
Dia hoe mbola mino
Fa mbola hiaraka ?

Hono ho'aho
Fa angaha raha hoe mba mitantara
Dia hoe mbola tara, mbola manembona anao ?
Diso ianao r'ikala

Hono ho'aho
Fa angaha raha hoe tsy manadino
Dia hoe mbola mino
Fa mbola hiaraka ?

Hono ho'aho
Fa angaha raha hoe tsy manadino
Dia hoe mbola mino
Fa mbola hiaraka ?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : 'Zay
Vangy : 1551
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 01/11/2019 17:43
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119