You are here: home > Tononkira > ZANDRY jaen-claude

TSY MAMO (ZANDRY jaen-claude)

Lasa revy ka tsy tamana Rasipakely
Fa ny lavitra ny tanana ka manirery
Ka ny lanitra no banjinina mampamangy any lavitrany
Ny vahoaka efa mitomany maty mosary
Fa ny mafy ni fiainana ny tsy sy vary

Fa mirongatra ny mpangalatra
Mifamono ary tsy mivavaka
Tondra-drano sy ny havandra
Ny hain-tany sy ny valala
Ireo mpitondra tsy te hahalala

Tsy mamo aho letsy iztononkira.serasera.organy
Lasa ny saina mampitomany
Fandalovana ny eto antany

Raindimby no akamanay
Lasany mandrakizay
Ny fahatsiarovana tsa mba very
Ny hiranao mahajerijery

Fa ol-omaty any am-pasana
No handrasanay ve hitsangana
Fa ’nareo mpitondra notaratra
Mba hanao ny soa fa tsy hangalatra

Hianareo milaza mivavaka
No antenaina hanandratra
Iaraha-mahalala i Gasikara
Efa lasa lalina ny lavaka

Mpihira : ZANDRY jaen-claude
Mpamaky : 2580
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : zolo
Tamin'ny : 15/03/2006 09:06:13
ID : 3540

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo