You are here: home > Tononkira > YOUTH IMPACT

Misaotra Anao (YOUTH IMPACT)

Taona maro lasa izay
Nanolotra ny ainao Ianao
Nisolo voina anay
Mpanota ambon’ny tany
Sady ninia tsy nijery
Ny andron’ny tsy fahalalana

Nafoinao ny lanitra
Nidina Ianao mba hanetry tena
Navelanao ny voninahitrao
Satria tianao loatra
Zahay zanakao

Misaotra Anao zahay ry Ray
Midera sy manandratra avo
Avo tononkira.serasera.orgny anaranao
Tompo ô

Resinao ny fasana
Nitsangana Ianao
Ka velona ho anay
Nomenao ny Fanahy Masina
Hampahery anay
Raha sendra reraka

Navelanao ny fiadananao
Natsanganao ihany koa
Ireo potika sy rava
Nampianao mba hiarina
Satria tianao loatra
Zahay zanakao

Misaotra Anao zahay ry Ray
Midera sy manadratra avo
Avo ny anaranao
Tompo ô

Hevitra mandeha

Zoky_Aina (02/07/2019 15:35:46)

Izao no nanehoana ny fitiavan'Andriamanitra antsika: Andriamanitra naniraka ny Zanani-lahy Tokana tamin'izao tontolo izao, mba hahavelona antsika amin'ny alalany. I Jaona 4 : 9

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : YOUTH IMPACT
Mpamaky : 91
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Zoky_Aina
Tamin'ny : 02/07/2019 15:33:05
ID : 11862

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo