You are here: home > Tononkira > YOUTH IMPACT

Miandrandra Anao (YOUTH IMPACT)

https://tononkira.serasera.org/hira/youth-impact/miandrandra-anao-2

Fanahy Masina ô
Midina manatreha
Mangetaheta Anao aho
Maniry fatratra ny kasikao

Miandrandra Anao aho
Mila Anao ny fo sy fanahy
Ny fiainako
Anjakao tanteraka
Fanahy Masina ô
Maniry Anao aho

Ny amiko rehetra
Miankohoka anatrehanao
Manome voninahitra
Fa mendrika indrindra Ianao

MiTsiky dia ampyandrandra Anao aho
Mila Anao ny fo sy fanahy
Ny fiainako
Anjakao tanteraka
Fanahy Masina ô
Maniry Anao aho

Tantano aho Tompo ô
Amin’ny androm-piainako
Ianao no fahazavako
Izay manazava ny lalako

Miandrandra Anao aho
Mila Anao ny fo sy fanahy
Ny fiainako
Anjakao tanteraka
Fanahy Masina ô
Maniry Anao aho

Hevitra mandeha

Zoky_Aina (02/07/2019 13:42:50)

Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana.Matio 5 : 6

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : YOUTH IMPACT
Mpamaky : 271
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Zoky_Aina
Tamin'ny : 02/07/2019 13:45:20
ID : 11864

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo