Ho avy Izy (YOUTH IMPACT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mba efa fantatrao ihany ve
Fa andro farany izao iainantsika izao

Koa aza dia variana loatra ety
Fa fiainana tsy haharitra ho doria ihany

Ka mba sainao kely anie ny ho avy
Sao ianao ho ratsy fiafara ka hanenina

Fa ny fiainana any an-danitra any
Feno fifaliana sy haravona raha ho avy ianao

Tsy misy olona afaka mankany
Afa-tsy amin’ny alalan’I Kristy raha ho avy ianao

Koa aza dia variana loatra ety
Fa fiainana tsy haharitra ho doria ihany

Ho avy Izy
Koa efa vonona ve ianao
Hitsena an’I Kristy

Ka dieny izao, faingana, tapaho ny hevitrao
Fa Jesosy Tompo efa ela niantso anao
Anio ialao ireo ditraditranao
Ka raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy anao

Tsy misy olona afaka mankany
Afa-tsy amin’ny alalan’I Kristy
Faingana, herezo fa Jesosy Miandry anao

Paradisa nomeny ho ahy sy ianao
Volamena avokoa anie ny lalana ao
Fahorina , fijaliana
Tsy hisy intsony fa Jesosy Miandry anao

Zao anio izao
Mbola tsy tara ianao
Faingana, herezo fa Jesosy miandry anao

Ho avy Izy
Koa efa vonona ve ianao
Hitsena an’I Kristy
--------
Rohy:
Hevitra
Zoky_Aina ( 02/07/2019 15:30)
Mitandrema, miambena, ka mivavaha; fa tsy fantatrareo izay hihavian'ny fotoana. Marka 13 : 33
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : YOUTH IMPACT
Vangy : 899
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Zoky_Aina
Daty : 02/07/2019 15:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0887