You are here: home > Tononkira > Yavo Ramanantoanina

Mila Anao (Yavo Ramanantoanina)

Fahasambarana ny fiainako rehefa misy anao
(satria miavaka ny anilanao)
Ny hoaviko rehetra apetrako eo Aminao
(Fa mahasoa ny torolalanao)
Satria fantatro fa raha toa ka lavitra anao
(zava-poana Izay ataoko)
Fa rehefa ho entina eo am-pelatananao
(Dia ho lavorary  izay kasaiko)

Fa mila Anao ny fiainako
Ny anilanao no mamiko
Ny fiainako rehetra omeko anjakao
K'androany re mba raiso izaho ho zanakao

Fa mila anao
Fa milTsiky dia ampya Anao ny fiainako
Ny anilanao ry Ray no tena mamiko
Ifonako ireo ratsy rehetra vitako
Efa tsapako tsy nety ka tsy hanindroa
Mahatalanjoana ry Ray raha ny fitiavanao
Satria na dia maditra aza aho dia mbola zanakao
Ary ankehitriny izaho mahatsapa
Fa raha tsisy anao
Dia zava-poana izay ataoko satria mila Anao

Fa mila Anao ny fiainako
Ny anilanao no mamiko
Ny fiainako rehetra omeko anjakao
K'androany re mba raiso zah ho zanakao

Fa mila Anao


Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Yavo Ramanantoanina
Mpamaky : 443
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : iRed
Tamin'ny : 14/06/2018 21:44:58
ID : 10676

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo