You are here: home > Tononkira > Yasna Tiary

Miandry (Yasna Tiary)

Misy fotoana maloka, mandrotika fanahy
Tsy ahazakana ity fandaozana
Misy ora kosa ahatsapàna fa any andro iray
Ny ho avintsika mbola hamiratra

Niondrika aho , avy eo nitràka indray
hoe tsisy mampanahy
Raha ny amintsika roa milamina
Satria ianao efa natao ho ahy
Ka na dia lavitra
Ny elanelan-tany tsy hahasaraka...

Miandry ny hiverenanao aho, na tsy fantatro izay andro izay
Efa tsinjoko f'ianao no anjarako
Na ho ela na ho aingana dia manantena foana ilay fittononkira.serasera.orgia
Efa azo antoka

Na mbola tsiambaratelontsika ilay fitia
Fa maro no tsy nahatsikaritra
Ireo toky efa natao no dina ho doria,
Hitoetra ao am-po maharitra

Marina fa tsy mbola fantatra izay ho lalana
Nefa kosa misy rohy mamatotra ahy aminao
Ka mino aho fa na ho sarotra, tsy hisy hivadika
Sarotra ny hihevitra hoe nofy indray..

Miandry ny hiverenanao aho, na tsy fantatro izay andro izay
Efa tsinjoko f'ianao no anjarako
Na ho ela na ho aingana dia manantena foana ilay fitia
Efa azo antoka

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Yasna Tiary
Mpamaky : 272
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Fifa007
Tamin'ny : 18/11/2018 18:30:46
ID : 11150

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo