You are here: home > Tononkira > Yasna Tiary

Tadidy (Yasna Tiary)

Tadidy, tsy adino tokoa
Irony lasa niarahana
Tsaroana, tsy maty ao am-po
Mamelovelo, tsy mety lo
Voatahiry, ka mitoetra hanitsy indray ny ho avintsika roa
Na ela, dia mbola tadidy
Satria nahery ny fitia izay niarahana

Ela niarahana, zary fianarana
Ny tantaram-piainantsika hatramin'izay,
Ny adiady nitomaniana
Sangisangy nahavariana...
Ireo hadalàna niniana sy ireo hafaliana

Tadidy, tsy adino tokoa
Irony lasa niarahana
Tsaroana, tsy maty ao am-po
Mamelovelo, tsy mety lo
Voatahiry, ka mitoetra hanitsy indray ny ho avintsika roa
Na ela, dia mbola tadidy
Satria nahery ny fitia izay niarahana

Taona MaTsiky dia ampyro lasana
Nanamafy orina
Be 'reo sedra maro izay nolalovana,
Ireo oram-pahasambarana indray
Toa zary nofy iainana...
Tady namatotra hatrany ny fitiavantsika

Tadidy, tsy adino tokoa
Irony lasa niarahana
Tsaroana, tsy maty ao am-po
Mamelovelo, tsy mety lo
Voatahiry, ka mitoetra hanitsy indray ny ho avintsika roa
Na ela, dia mbola tadidy
Satria nahery ny fitia izay niarahana

Tsaroana foana ireo taloha, tsy mitsahatra manelo ao am-po
Ireo hadalàna vita hatrizay, no mbola anatry ny ho avy indray
Tsaroana koa ireo fotoana mamy, Nahasambatra tanatin'ny akany
Ny mamy izay nifampizaràna anie, hitohy, hanome hafanàna...

Tadidy...

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Yasna Tiary
Mpamaky : 284
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Fifa007
Tamin'ny : 18/11/2018 18:30:56
ID : 11148

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo