'Lay efa nomena (Yasna Tiary)
https://tononkira.serasera.org/hira/yasna-tiary/lay-efa-nomena-1
Hatramin'izay no efa fantatraoNy fahatongavany ho nofo
D'ilay famonjena tonga lafatra
Izao andro izao no porofo
Fifaliana sesehena, no manerana ny tany
Mino sady manantena o
'lay fitia, tsy mety lany
Fa moa ve azo antenina
Fa manomboka izao ny fonao
hahatsiahy 'lay efa nomena
Hientana indray ka hihavao
Fa moa ve azo antenina
Fa manomboka izao ny fonao
hahatsiahy 'lay fanetretena
Hientana indray ktononkira.serasera.orga hihavao
Ilay finoana efa ao anatinao
No hamafiso indray anio
Dia aoka mba hiseho amin'ny atao,
Ireo namanao itodiho
'Ndeha zarao an-kafaliana
Ilay fitia noraisinao
Ireo 'zay mila fanampiana o
Miandrandra ka iantrao
Fa moa ve azo antenina
Fa manomboka izao ny fonao
hahatsiahy 'lay efa nomena
Hientana indray ka hihavao
Fa moa ve azo antenina
Fa manomboka izao ny fonao
hahatsiahy 'lay fanetretena
Hientana indray ka hihavao