Tena fitia (ft Marion, Tovo J'hay, Johanna, Jenny) (Y-ZIT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nilaza ho tia nefa nandao
Niteny hoe tsy hanary nefa tsy eo ianao
Fo mitomany isan'andro izao oh oh oh

Tsy handeha hitady hafa, tsy misy ohatra anao
Tsy haiko nampanginina ny foko mitalaho
Mila anao ao foana, mahatsiaro anao

Fa ho ahy mandalo lalan-tsarotra isika
Takona ilay masoandro mibaliaka
Tsy ho hadinoiko anefa ianao

Hiandry anao foana aho satria mila anao
Hiantso anao foana aho satria tia anao
Tsy asiako fetra ny fitiavako anao
Sarotra ho ahy ny hanadino anao
Mahatsiaro marary rehefa tsy eo ianao
Aiza ilay tiako , fa aiza ianao

Tsy ho hadino ireo tomany
Feno ny foko mahatsapa mijaly
Nefa mbola tia, mila anao ihany
Tsisy hifandao eo, hoy ianao
Tsy avelako ho very, nolazainao
Zay no voateny nefa tsy eo ianao

Fa ho ahy mandalo lalan-tsarotra isika
Hitady ilay masoandro mibaliaka
Tsy ho hadinoiko nefa ianao

Hiandry anao foana aho satria mila anao
Hiantso anao foana aho satria tia anao
Tsy asiako fetra ny fitiavako anao

Sarotra ho ahy ny hanadino anao
Mahatsiaro marary rehefa tsy eo ianao
Aiza ilay tiako , fa aiza ianao

Ouh ouh
Fitia , fitia
Miandry anao ity foko
Mila anao ity foko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Y-ZIT
Vangy : 10660
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 04/02/2015 23:58
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727