antso ho anao (Y-ZIT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Y-Zit:
Raha hitanao ireo mandady, ireo mangiana foana
Dia hiteny hoe marary kanefa moana
Mitalaho fa tsisy mandre
Mirenireny, mitaditady, voabaikobaiko, voasazy
Maniry ny fiarovan’ireo anjely
Mitady an’ireo maso mba te ho jerena
Hiran’ny fo, ny feo tsy hangiana fa ny antso ho anao
Antso no atolotro ho anao

Tiavina:
Feo iray ihany androany no hiteny
Fihavanana iray ihany no ho jerena
Tsy adalana no miandry an’io fahasambarana io anjara masoandro ka mijoro
Feo iray ihany androany no hiteny
Hafaliana iray ihany no ketrehina
Ary ho avy tsy ho ela, handao hanpitempo ny fo (izaho sy ianao)

Ref:
Ilay antson’ny fo tsy hangiana
Fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
Antso ho anao
Raiso ho anao

Marion:
Ka miangavy re raha azo atao
Dia hitodika mba ho azy indray
Fa ny azy anie izao fiainan’izao
Ny mangidy no mba tao an-tsainy
Hoe sedra foana ve
No ho soratana mba ho tantara
Tsy hita intsony ilay hoe
Ho tany sambatra I Gasikara

Tiavina:
Feo iray ihany androany no hiteny
Fihavanana iray ihany no ho jerena
……………..

Ref:
Ilay antson’ny fo tsy hangiana
Fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
……………;

Raboussa
Ilay fandresena tsy mba fantatro hoe ohatran’iza loatra izany filaminana
Fa ny anareo ny feom-basy no toa mifaninana
Toa tsy mahalala hoe hijaly ange izahay dimby sy fara
FA OHATRAN’NY HO ANAREO IRERY ILAY “MADAGASIKARA”
Toa tsy ao ilay maha-olombelona sa ve nodimandry
Tandremo fa ny fitia ange mahery noho ny sandry
Dia miala tsiny mety ho mafimafy ilay fiteny
Hoe “IANAREO VE MBOLA HO MENDRIKA NY HO RAY AMAN-DRENY”

X-Tah:

Gasikara, hifampitarika aiza ireto zanakao?
Ndao ho any @ tsara fa ho velona izay sahy mankao
Hitsahatra ny rediredy, tsy ho tairin’ny rebireby
Ny Malagasy ho lavitry ny tebiteby
Samy Gasy @ fo raha hiaro ny zo
Samy Gasy mahavoa raha hiaro ny zo
Samy nararary, afaka samy sitrana
Ao ny fihavanana afaka samy hamitrana

Ref:
Ilay antson’ny fo tsy hangiana
Fiadanana no ilaina ka tsy hangiana
……………;

Raboussa:

“Antso iray atolotra ho an’izay manam-panahy sy ireo izay mbola mahatsapa fa manana adidy @ fanasoavana an’i Madagasikara mba hitongilana ny fony, mba hitongilana ny fanahiny, mba hitongilana ny vatany, mba hitongilana ny sainy @ fitandrovana ny Zo maha-olona, mba hitopizan’ny maso ho an’ny taranaka amam-para, mba hisian’ny fifanajana hanjakan’ny fifankatiavana dia hisy marina ny fiovana. Dia rehefa vita izay dia ho NOSY MAHA-TE HONINA I MADAGASIKARA”. Teny atsipy ho n’izay manan-tsofina.”
Avy any @ bandy kely, OKAY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Y-ZIT
Vangy : 9026
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 10/02/2013 19:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1279