Fo Mijaly (Y-ZIT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misentosento loatra, potika ny fo
Niandriandry loatra, mivakivaky loha
Nefa ianao tsy hitako eo anilako eo
Lasalasa teo ny fitiavanao
Tsy heno ity fo fo miantso anao
Tsy ho rava ity fitiavako anao

Ny aiko dia tsy hilaza ny hanadino anao
Ity zanantsika mampahatsiaro anao
Rehefa mijery azy, ianao no hitako
Rehefa misakambina
Ny tananao no tsapako

Fo mijaly no miantso anao
Fo mitia no tiako omena anao
Tsisy hanakana, tsy mety levona
Ny toerana nomeko anao

Nandefa taratasy tsy misy valinteny
Tena very saina mantsy
Fa tsy sahy miteny
Ny hany hery ny fitondran’ ny Ao Ambony
Miantso anao ry Ray, omeo ahy ny hery
Ny sitraponao ho ahy
Ho soa fa ao am-poko
Dia fantatro fa mbola tena mila anao

Ny aiko dia tsy hilaza ny hanadino anao
Ity zanantsika mampahatsiaro anao
Rehefa mijery azy, ianao no hitako
Rehefa misakambina
Ny tananao no tsapako

Raha zay sedra-mpiainana mandalo fotsiny ihany
Ka na be ny adin-tsaina
Mandreraka sy mampiondrika amin’ny tany
Ny safidin ity foko
Efa mitepo ho anao
Na tsisy omeko n’ iza n’ iza no hitepo
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Y-ZIT
Vangy : 12437
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : YASHN
Daty : 02/04/2009 08:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111