Miandry love avy aminao (Y-ZIT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mivezivezy tsy mety hanadino anao ilay fo mbola tia ka marary
Mamirifiry fa mahatsiaro anao miankin-drindrina manoroka ahy
Tsy voafehy intsony ireo tomany, tsapako fa voa, resy ka manahy
Hakiviana ny ato am-poko mampirediredy
Nefa hiandry anao satria efa love

Tsisy ny anjara tsy hifankahita, zany ny ao am-poko ao
Tsarovy tsara fa ny atý tsy mba mety ho ritra satria tia anao
Simba taminao, izaho nilaozanao,
Tsy manan'aina nefa eo foana tsy manadino
Tsy hanadino

Miandry love avy aminao, avy aminao, avy aminao
Miandry love avy aminao, avy aminao, avy aminao

Voatahiry ato ireo tambitambinao
Zay mba vitantsika roa mampidoboka ny fo
Ireo safosafo, ireo teny mamy tsy ho ahy fa ho azy avokoa
Tsy voafehy intsony ireo tomany, tsapako fa voa resy ka manahy
Hakiviana ny ato am-poko mampirediredy nefa hiandry anao, izaho efa love

Tsisy ny anjara tsy hifankahita, zany ny ao am-poko ao
Tsarovy tsara fa ny atý tsy mba mety ho ritra, satria tia anao
Simba taminao, izaho nilaozanao
Tsy manan'aina nefa eo foana tsy manadino
Tsy hanadino

Miandry love avy aminao, avy aminao, avy aminao
Miandry love avy aminao, avy aminao, avy aminao

Sempotra aho ity, ranomaso tsy mety ho voatazona intsony
Miandry aho mangingina, miandry an'ilay andro hiverenanao
Tsy haiko ny hangina. Torapo ny ahy

Tsisy ny anjara tsy hifankahita, zany ny ao am-poko ao
Tsarovy tsara fa ny atý tsy mba mety ho ritra, satria tia anao
Simba taminao, izaho nilaozanao,
Tsy manan'aina nefa eo foana tsy manadino
Tsy hanadino

Miandry love avy aminao,avy aminao,avy aminao
Miandry love avy aminao,avy aminao,avy aminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Y-ZIT
Vangy : 22214
Mpankafy : 3 Ankafizo
Nampiditra : realiavohajaina
Daty : 01/12/2014 10:02
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133