Tsy hira ny hira.
VOADY (Wilson)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
VOADY1 Marobe ireo fahotana,vitako hatrizay
Tsy nahita ny mamy ,tsy misy ho ahy
Lalana maro no naleha ,nitadiavako ny soa
Lany fotoana,ora,andro,nandamoka avokoa
Nanaram-po nanao ny tiana sy ireo faniriana
Tsy mba nijery ny ho avy fa nanao adalana
Ankehitriny,trotraka aho ary hody amin'izay
Tsy misy afa-tsy eo amin'ny Ray no Mpamonjy ahy
Indro atolotro Anao Ray Malala o 'zao
tenako izao
Vonona aho ny hiova sy hanaraka Anao
Efa nafoiko avokoa ireo ditra hatrizay
Indro ny tanako omeko,mba raiso aho ry Ray
2 Anjakao ho Anao ny foko manomboka anio
Omeo hery ahazoako,miazona io teniko il
Izao voady ataoko izao anie dia mba ho Raisonao
Jesosy inty aho ,hirao ho hirakao
Réf
Ref×
--------
Rohy: