Soa fa teo Ianao (Wilson)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
SOA FA TEO IANAO
1
Fandrika avokoa ny manodidina ahy
Tsy mba misy azo ianteherana
Fahoriana no mianjady
ka mila ho resy sy ho kivy izany fo
Nefa,mbola teo Ianao
mijery ahy tsy ho rendrika
Mitsilo ny ho aviko....
Soa fa teo Ianao ry Ray
Hampahery ahy raha sendra trotraka
Soa fa teo Ianao ry Ray
Hanohina ahy amin'ny lalam-piainako.
Raha tsy teo Ianao ry Ray
Moa toa izao vé izany fiainanay ?
Ka asandray ny Anaranao
Fa be tokoa ny Fitiavanao
2
Maro koa ireo olana
Tsy navelanao hiady irery aho
Notoloranao tanana,
noraisinao ho toy ny zanakao
Jeso ,Ianao no tokiko
ka tsy mba hanan-tahotra aho
Fa manana Anao Ilay Ray..
Azo hiankinana
Réf...
3
Fa raha tsy nisy Anao Ray
Moa mbola hisy aina,
hitem-po ve ao anatiko ao?
Tsy voavaly n'iza n'iza fa tena mamy
tsy azonay soloina
Ka saotra no atolotra Anao Ray
Fa Fitiavana Ambony Indrindra
Tsy takatry ny sainay sy ny fo..
Ilay Lova tsara tsy mety ritra
Réf..

Ref×...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Wilson
Vangy : 647
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : RJWi
Daty : 07/07/2021 19:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0723