You are here: home > Tononkira > Willah

Ho ahy (Willah)

https://tononkira.serasera.org/hira/willah/ho-ahy

Efa lalimpaka ato am-poko ilay fitia
Ka aza avelanao hangaina irery
Fa raha toa ianao no mbola miahiahy
Ny hivadika aminao sanatria

  Ho tsapanao fa tiako ianao
  Tiako ianao ary ho doria
  Tsy hifandao, tsy kilalao
  Tiako ianao koa dia matokia

Ilay ora sy fotoana izay tsy ahitako anao
Tsaroako ho very an-tany efitra aho
Ireo hira kalokalo izay fanaontsika roTsiky dia ampya
No hany sisa mampitony fo

  Ho tsapanao fa tiako ianao
  Tiako ianao ary ho doria
  Tsy hifandao, tsy kilalao
  Tiako ianao koa dia matokia

Ho sasatra eo ireo mikotaba
Mikasa ny hanimba sy handrava
Fa reko tsapako ato anatiko
Ilay fitia tsy mety ho maty, hei, heiiii..

  Ho tsapanao fa tiako ianao
  Tiako ianao ary ho doria
  Tsy hifandao, tsy kilalao
  Tiako ianao koa dia matokia

Hevitra mandeha

Ani2 (09/10/2015 12:14:22)

Tena tiko b ty hira ty

Tohiny

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Willah
Mpamaky : 3372
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Kwasi
Tamin'ny : 29/03/2008 00:37:54
ID : 5099

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo