You are here: home > Tononkira > Willah

Avelao izy handeha (Willah)

https://tononkira.serasera.org/hira/willah/avelao-izy-handeha-1

Reko izao feonao mitalaho
milaza fa hoa tena tsisy azo atao
mandratra tokoa ilay fery ao am-po
kanefa hatrakao ny loha

an-tsainao izao izay vitany
nefa aza atao mahakivy
fa indray andro any mbola ho avy
ny anjaranao tsy ho lany

avelao izy handeha
f’aza sakananao
ajanony hatreo ireo tomaninao
avelao izy handeha
fa fiainam-baovao
indray iztononkira.serasera.orgao no hatrehanao

fantaro fa tsy ho mora ny handao
ireo nokasaina toa lasa nangahy
am-po tokoa ireo ratra taloha
kanefa hatrakao ny loha

an-tsainao izao izay vitany
nefa aza atao mahakivy
fa indray andro any
mbola ho avy
ny anjaranao tsy ho lany

ref

tsy ho neninao ireo vita natao
aza mitanondrika ianao
ka ny alahelo hatsaharo izao
lalan-kafa indray no katsao

ref

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Willah
Mpamaky : 5070
Mpakafy : 3 Ankafizo
Nampidirin'i : mandachoo
Tamin'ny : 13/05/2008 09:59:01
ID : 5276

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo