You are here: home > Tononkira > Tsiakoraka

Fa tsy eo ianao (Tsiakoraka)


Fa tsy eo ianao, fa tsy eo ianao…

Toa ahitako ny endrikao
Hahatsiarovako ny tsikinao
Izay rehetra tazako izao
Toa misy anao
Fa tsy eo ianao

Nierikerika teny aho
Nitoditodika teny aho
Nanantena hahita anao
Fa tsy eo ianao

Toa hahenoTsiky dia ampyako ny feonao
Ny fitokelaky ny hehinao
Izay rehetra tazako izao
Toa misy anao
Fa tsy eo ianao

Nierikerika teny aho
Nitoditodika teny aho
Nanantena haheno anao
Fa tsy eo ianao

Tsy nety nino anefa aho
Tsy mbola nino aho hatramizao
Fa tsy eo ianao, fa tsy eo ianao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tsiakoraka
Mpamaky : 678
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 27/08/2017 17:38:30
ID : 9885

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo