You are here: home > Tononkira > Tselonina

Sarinady (Tselonina)

Sarisarin'ady ve ny tsiky feno fitaka
Ny maty indray no mampihomehy
Toa tany very faty tany, voavoly fintana
'Zay tsy miainga raikitra eo

F'izaho sy ny marina no mifampitady eny
Zanaky ny lainga tsara laza
Izaho sy ny harena nanao fangalampiery
Teny ihany fa tsy niara-nita

Izaho sy ianao toa ny vary toto-tànana
Tsara endrika madio
Izaho tononkira.serasera.orgsy ianao toa ny vary toto-tànana
Tsara endrika madio

Ny manana omby folaka misarisary olana
Fakan'amontana mikoa
Ny manan-tany lonaka sy ny zary nandevozina
Mpanarivorano moa
Ny vokatra miakatra mandrakotra ny trano
Tototra hasoavana ny soa
Ireo izay nifofotra nitangolingoly
Mangotrak'alahelo ny vilany
Ny toto-rantsan-tanana mamela  ny tany
Ka lasan'horaka mazàna

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tselonina
Mpamaky : 1157
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 22/07/2014 22:00:46
ID : 6628

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo