You are here: home > Tononkira > Tsanga sy Liva

Tsara rindra (Tsanga sy Liva)

https://tononkira.serasera.org/hira/tsanga-sy-liva/tsara-rindra

Fitiavana tsara rindra
No mampiray antsika roa
Niainana ny mamy indrindra
Nitondra mangidy koa

Rivo-mahery
Rano maria
Tsy maintsy andalovana ety
Tsaroanao foana ilay fanekena
Nahatonga fandresena

Fiafiana tsy fisiana
Fifaliana no iafaratononkira.serasera.orgny
Fanantenana tsy lany laniana
No mampisava ny aizina tao

Reo manodidina mamely hatrany
tsy nahay nanova ny fo
Reo mpanatsatso manjoy aok’izany
Niala maina avokoa

Fiafina tsy fisiana
Fifalina no iafarany
Fanantenana tsy lany laniana
No mampisava ny aizina tao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tsanga sy Liva
Mpamaky : 7363
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Tsito
Tamin'ny : 06/10/2004 06:41:42
ID : 2645

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo