Bitsika (Tobia)

Ny haizina hono ve hivadika ho mazava ihany
ny antsony hono ve antenainy koa mba hisy hamaly
ireo aretiny maika mampijaly
izao sasa-poana izy any x(2)
fa ireo bitsika nanaitra azy dia tsy tantin'ny fony
ianao ilay lasa teo nandratra azy tsy nampikombon'intsony
ireo ratrany hatrizay

Ref: Miangavy anao hiverina aza ilaozanao ny akany
Efa ianao no afaka ha mafa ireo tomany
Dia mangina izy fa tsy afaka mankany
Hainao kanefa,mba lefero ny hambo-ponao
Fa ny androany,ny masony mamiratra no ho any
Handravaka hitsenany anao any

Taitra ianao sa nisy nampanahy
toa navelanao ny asa aman-draharaha
Misy miteny ianao, toa mitabataba anao any ho any
hadinonao tokoa ve ireo dinanareo roa hoe mandra-maty
Any izy mitalaho mbola manantena anao
Toa miandrandra masoandro vaovao

Ref: Miangavy anao ............
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/tobia/bitsika
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tobia
Vangy : 2117
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jantina
Daty : 28/11/2012 21:51
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.0694