Tsiory (Tobia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(ft. Johanna)

Hitolona aho sao lasan'olonkafa any ny tananao e
ny sainao ny fonao e
tsy hipetraka amin'izao fotsiny aho e
Ekeko ny hadisoana ny hadalana vitako
Nandratra anao tao ho ao e
Ny vono gidragidra ka lao e
Ireo ditra maro mifamahofaho e

Androany aho mifona
Tsapako izaho mila anao
Hanonitra ny hadalako
Ireo lasako hofafako

Hitapitapy aho
Hivarilavo aho
Hidoroka anie aho
Hamono tena aho
Mijanona re
Fa aza mandeha
Hitapitapy aho
Hivarilavo aho
Hidoroka anie aho
Hamono tena aho
Mijanona re
Fa aza mandeha

Ireo fotoana maro nifampizarana
no nampianatra ahy hitia anao e
Efa zatra loatra anao angamba aho e
Tsy hahita intsony aho raha ilaozanao e
Tsy misy toa anao, reo zay nandalo, nifandimby, teo alohanao e
'Zany koa anie mahagaga zaho e, tokana ianao e

Androany aho mifona
Tsapako izaho mila anao
Hanonitra ny hadalako
Ireo lasako hofafako

Hitapitapy aho
Hivarilavo aho
Hidoroka anie aho
Hamono tena aho
Mijanona re
Fa aza mandeha
Hitapitapy aho
Hivarilavo aho
Hidoroka anie aho
Hamono tena aho
Mijanona re
Fa aza mandeha


Izay rehetra izay tsy hanadinoiko anao
Izaho koa tsy hanaiky ny tsy ho eo anilanao
Tsy herimpo very maina ireo zay nomeko anao
Ka ny hafa indray no hioty ny momba anao

Izay rehetra izay tsy hanadinoiko anao
Izaho koa tsy hanaiky ny tsy ho eo anilanao
Tsy herimpo very maina ireo zay nomeko anao
Ka ny hafa indray no hioty ny momba anao

Androany aho mifona
Tsapakao izaho mila anao
Hanonitra ny hadalako
Ny lasako hofafaiko

Hitapitapy aho
Hivarilavo aho
Hidoroka anie aho
Hamono tena aho
Mijanona re
Fa aza mandeha
Hitapitapy aho
Hivarilavo aho
Hidoroka anie aho
Hamono tena aho
Mijanona re
Fa aza mandeha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tobia
Vangy : 12475
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 15/04/2015 13:06
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0338