Tsiory (ft Johanna) (Tobia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Hitolona aho sao lasan’olon-kafa any ny tananao
Ny sainao, ny fonao
Tsy hipetraka amin’izao fotsiny aho
Ekeko ny hadisoana, ny hadalana vitako
Nandratra anao tao ho ao
Ny vono, ny gidragidra ka lao
Reo ditra maro nifamahofaho

Androany aho mifona
Tsapako ‘zaho mila anao
Hanonitra ny hadalako
‘Reo lasako ho fafako

Hitapitapy aho, hivari-lavo aho
Hidoroka anie aho, hamono tena aho
Mijanonà re, aza mandeha !

‘Reo fotoana mba nifampizarana
No nampianatra ahy hitia anao
Efa zatra loatra anao angamba aho
Tsy hahita intsony aho raha ilaozanao
Tsy misy toa anao raha izay
Nandalo nifandimby teo alohanao
Zaho koa anie mba gaga ‘zaho
Tokana ianao e !

Androany aho mifona!
Tsapako ‘zaho mila anao!
Hanonitra ny hadalako
‘Reo lasako fafako

Hitapitapy aho, hivari-lavo aho
Hidoroka anie aho, hamono tena aho
Mijanonà re, aza mandeha !

‘Zay rehetr’izay tsy hanadinoako anao
‘Zaho koa tsy hanaiky ny tsy ho eo anilanao
Tsy ho herim-po very maina ireo zay nomeko anao
Ka ny hafa indray no hioty, ny momba anao

Androany aho mifona
Tsapako ‘zaho mila anao
Hanonitra ny hadalako
‘Reo lasako fafako

Hitapitapy aho, hivari-lavo aho
Hidoroka anie aho, hamono tena aho
Mijanonà re, aza mandeha !
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tobia
Vangy : 12719
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/05/2015 06:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0715