Maro mpitia (Tiana)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Reko ihany fa nandalo teo ianao
Nolalovanao ny varavarako
Na dia minitra iray moa tsy foinao
Maika ve fa hiaraka aminao
Vao omaly ny omaly hoy ianao
F'izaho ihany no tompon'ny fonao
Kanefa tsy andrinao ilay maraina vao
Anenjehanao ilay olon-kafa iray

Fiverenana:
Maro mpitia hono ianao fa bikàna
Kanefa lahy ny fanahy mba ovao
Dia ny efa nampahorianao
Noho ny toky fitakao, mihevera ianao

Firifiry ireo efa nisehonao ?
Nanaovanao ny fomba amam-panao
Nomena toky hampiakarina atsy ho atsy
Idrisy anefa toa zary nofy ratsy
izao anefa no ataovy an-dohanao
Tsy ilaina akory ny miafana amiko
Efa malaza fa ianao tsy tokamp-po
Fadio anefa ny hoe hitodi-doha

Fiverenena
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tiana
Vangy : 2097
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : myster
Daty : 13/10/2019 21:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0913