RAITRA (Tarika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Midobodoboka tsy mijanona ny foko, mierika ny masoko mitady tsy mahita;
Ny eritreritro tsy mety fa manjohy anao hatrany; manontany, mitomany.
Mitamberina ao an-tsaiko ireo vetsom-po tanaty nobitsihinao mangina am-potitsofiko eo mazàna;
Rehefa injay isika resin-torimaso iny fa any ianao izay ry tiako...

Eto aho no mitanisa ireo zavatra efa vita dia malahelo.
Tsy hisy hanazava hoe avy aiza ny hery miafina nanosika antsika ho tody teo.
Tody teo aloha isika, teo amin’ny toerana avo indrindra!
Tsy hain’iza ho hazavaina, tsy vitan’iza ho ravana.

2- Tsy tiako hovaina intsony ny lasa zarako aza ianao nifanojo lalana amiko;
Saingy tsy ho zakako intsony ny hanarona ny marina amin’ny toe-drahaharaha misy.
Marina fa be ny olana raha ho visaina, ireo tsy tia sy fahavalo koa hanenjika avy hatrany;
Kanefa izany ve no hamoizako anao? Vao mihamitombo ny fitiavako miharomotra.

Enga anie ianao hiandry ahy fa izaho hiandry anao foana e!
Ny lalana nodiaviko mety tsy ho hitanao, tsy misy toa anao izay tojo ahy,
Ianao irery ihany no toa anao,ianao no ahy e!
Tsy mila olon-kafa aho, tsy hitady an’iza n’iza; Fa ianao irery ihany.

Tsy haiko intsony ny manafina efa fantatrao izany, k’aza omena tsiny aho e!
Ny fiantsapazako avy hatrany, ny ranomasoko nijohy teo ampandehananao.
Hitohy tsy an-kijanona hikoriana hatrany, hatrany, ao anatiko ao e!
Rahoviana ianao ry tiako vao ho tonga eto indray? Hampionona ahy, rahoviana?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika
Vangy : 33751
Mpankafy : 5 Ankafizo
Nampiditra : Naly Randria
Daty : 23/11/2001 05:14
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124