Aza misy miteniteny (Tarika)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin’omby amin’ny andro migaina,
Omaly nijaly, anio mitaraina...
Manao azafady amin’ireo manan-tsaina
F’ilay Gasikara no saika holazaina...

Aza misy miteniteny ! (1n-3)

Saretin’omby mandady mihisatra,
Lasana foana izy na tsy mandrifatra...
Tratry ny mafy ny emperialisita,
Voahozongozona ka nibolisatra...
Fa tsy hiala izy na hankasitraka
Ary ny gadra no mody nafitsaka
Fa dia soloiny kofehy fisapisaka,
Sarintsaromany lainga sy fitaka,
Izy eo ihany fa mody mikisaka
Indray andro any izy mbola ho voakipaka...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin’omby mitondra kapoaka,
Alina maizina, andro mipoaka...
Ireo kary teo efa samy voaroaka
Nazerazeran’ireto vahoaka
Fa ny mpangeja dia ê misafoaka,
Mbola mitetika foana hifoaka
Vola sy harena, vary sy laoka...
Voalavo kosa no ’reto navoaka
Nasolo ireo kary izay lasa nitsoaka...
"Fahaleovan-tena efa azo, Vahoaka,
Revôlisiôna efa vita fa aoka,
Antsika ny tany samia manamboatra"...
Mivadika anefa : "Midira Ranaotra !"
Mantsy ’reo voamba ’zay mpanararaotra,
Ireo ’perialisita zatra mpandraotra,
Ireo mpandroba tsy menatra loatra,
Mbola ahita Vahoaka mitroatra, vao...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin’omby mandalo miserana,
Lasa mandroso fa tsy azo ferana...
Feno mpangeja izay efa tsy hanerana :
Io La-Frantsa manao bodo ngerona,
Miady mafy mitàna ny toerany ;
Bekintana liona miterona,
Mitady hitsabaka anaty "sompierana" ;
Japôney dinty miraikitra,
Io Afridisida manaikitra,
Io Rainiboto manao tanam-poza,
Io Italia fa manao rivo-doza ;
Izy rehetra dia samy mamely,
Hatramin’ireo any Isiraely...
Avela hanao sy handrava tantely,
Fa indray andro any dia ho hitany kely...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin’omby mankany aminay,
Midina kely dia miakatra indray :
Frantsa malala ’lay reny sy ray,
Tompon’ny laka hatramin’izay...
Ny banky vaventy sy ’reo magazay,
Ireo kaompania efa lava tsinay :
Paribas, SOCOA, Pechiney,
Zato amby arivo fa tsy anankiray,
Faly hitatitra mandrak’izay
Ny enta-bokatra sy vola may...
Frantsay a, Frantsay...
Mahery mandrapaka sahala amin’ny voay,
Latsaka ambany ’zay mamon-divay...
Avelao hanao fa ho main’ny sakay,
Adaladala ka tsy mety fay,
mbola hifanena amin’ny mpaka kitay, vao...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin’omby mandeha tsy miera ,
Mihilangilana fa tsy mianjera...
Etazonia dia mba hoe katsera,
Fa tigira be mangorera...
Izay tsaratsara dia io hangalariny,
Raofiny fotsiny lasa mankàny :
Ny "pétrole" ambanin’ny tany,
Viravirainy sahala amin’izany,
Ny tena marary raha tonga mankàny,
Tsy manan-draharaha fa hangorona ihany...
’Merika a, ’Merika...
Imerintsiatosika mody gasiana,
Nefa any Diego Garcia hitobiana,
Vokatr’izany dia fampahoriana,
Indray andro any dia mbola asaina...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin’omby amin’ny valam-parihy,
Mandeha mankary atsinanana ary...
Japôney avy koa mankaty,
Na trondro matavy na trondro mahia
Raofiny an-tsambo dia "Andao lasa ’ty",
Ary dia ataony amin’ilay boaty vy,
Hamidiny lafo atsia sy ary...
Japôney a, Japôney...
Alaina na hazo na hena na vorona,
Dia hitoerany any Namorona,
Mpanjono botry tsy mifaditrovana,
Indray andro any izy ho sendra ny trozona...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin’omby manani-piakarana,
Anio izy lavo, rahampitso tafarina...
Afrikadisida a, Afrikadisida...
Mody vahana ny fifamatorana,
Nefa eo ihany fa mbola mangorona...
Ireo vatosoa sy diamondra nahorona,
Ny any Narinda ataony hangalarana,
Izy efa zatra mpanindry ny marina io,
Mbola ho fafazana tadivavarana, ary...
Hitsako tsy misy eo... (in-6)

Aza misy miteniteny ! (in-3)

Saretin’ombin’ilay Gasikara,
Ho avy ny andron’ny dimby sy fara...
Aza variana mijery bazary
Na taraikiraiky ka diso "départ",
Fantapantaro k’aloha izay mba tsara
Sao dia halevon’itony tantara
vao misandrahaka vaky barara,
Ka ny kabary izay tsara fiafàra
Tsy hijanonako sahala amin’ny gara, dia :
"Aza miala amin’ny Besinimaro !"...

Tsy maintsy mandresy ny Besinimaro ! (in-3)
Foa !...

Jean-Claude Rabeherifara tao amin’ny
Serasera
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika
Vangy : 5822
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 24/10/2001 06:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0792