IANAO INY (Tarika MiYRAZ)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy andriko ny ahatongavana any an-tsekoly
Hahitako ilay endrikao kanto
Ny ao anatiko ao tsy mety tony
zaho te ahita anao tsy miato
Iray kilasy amiko mantsy ianao
R’ilay tovovavy tso-piainana
Raha misy bandy misari-zoro aminao
Dia efa ratsy ny fisainana
Misento mangiana aho

[REFRAIN] : Asa mba rahoviana, ianao ry olon’iny
Vao ahatsapa ilay fitiavana mandoro ahy
ianao ilay faniriana, ianao lay tena tiana
nambabo ny saina sy fo fanahy
Asa mba rahoviana, lay fitiavako mangiana
Vao ho tsapanao fa zaho anie tsy sahy
Ny ilaza aminao, anambara fa ianao iny
No nambabo ahy

Izaho te hiresaka aminao
Te hamboraka izay rehetra ao am-poko ao
Saingy menatra sy matahotra anie aho fa
Sao ho lavinao
Ka aleoko aloha mangiana
Na misy aza ny faniriana
Aleo ho ahy samirery
Aleo aloha aho tsy iteny
Fa tena tiako ianao

Ianao iny anie ilay olona nampifoha indray ny fitiavako
Tiako dia tiako loatra raha ianao no itantana ahy
Ianao iny anie ilay tokana notiaviko tamin’ny fiainako
Saingy tsy nambarako anao aloha satria izaho tsy sahy
Fa tena tiako ianao

[REFRAIN] : Asa mba rahoviana, ianao ry olon’iny (Asa rahoviana,ianao iny)
Vao ahatsapa ilay fitiavana mandoro ahy (ahatsapa ilay fitiavako)
ianao ilay faniriana, ianao lay tena tiana (ianao faniriana, lay tena tiana)
nambabo ny saina sy fo fanahy
Asa mba rahoviana, lay fitiavako mangiana (asa rahoviana, ho tsapanao lay fitiavako)
Vao ho tsapanao fa zaho anie tsy sahy
Ny ilaza aminao, anambara fa ianao iny
(ny ilazako fa ianao no)
No nambabo ahy (nambabo ahy)


By NyAvotra (tonony sy feony)
Artiste: MiYRAZ (0346033890)
Genre: Rock
--------
Rohy:
Hevitra
nyavotra.stem ( 13/12/2015 18:25)
azonao henoina am youtube: https://www.youtube.com/watch?v=LaBBc28Hpxs
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika MiYRAZ
Vangy : 1909
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : nyavotra.stem
Daty : 13/12/2015 19:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734