Tsy ho diso fanantenana (Tanora Masina Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TSY HO DISO FANANTENANA1) Rehefa milamina ny fiainako toa tsy mahatsiaro Anao aho
Ry Jesosy fitarainako, adala anie aho
Dia indro Ianao mamerina ahy, mibitsik’isan’andro
Ny tsorakazonao mananatra ahy, tsy sasatry ny miantso
Ref1 : Tsy avelanao handeha irery aho raha miatrika ny ety
Ny foko anefa dia malemy, ‘ndraindray maniasia
Fa anarinao am-pahendrena tsy ho ratsy fiafarana
(Choeur : Fa manaitra hatrany Ianao)
Ka raha ho avy Ianao dia izaho no hitsena
Tsy ho diso fanantenana
2) Nanganohano aho raha nandinika ny lasako Jesosy ô!
Ianao ‘Lay tsy nanilika ahy na ratsy aza aho
Impiry Ianao manaitra ahy vao indro aho mahatsiaro ?
Hiantorak’eo an-tratranao indray, hifikitr’isan’andro
Ref2 : Ny vavanao raha vao miteny dia Hery sy Fitia
Tsy sitrakao ny hisy ho very ‘reo ondry izay nania
Fa antsoinao ombieny ombieny hahita fahazavana
K’any am-parany any tsy maintsy hiteny hoe
Tsy diso fanantenana
Pont : Ny miaraka Aminao dia fifaliana
Tsy maintsy misy koa ny hazo fijaliana
Fa Ianao no manefy ahy, mikapoka sy manafay
Nefa koa miaro indray raha sendra izay ady mahamay
Ref1 : Tsy avelanao handeha irery aho raha miatrika ny ety
(Fa Ianao no mitantana ahy)
Ny aza anefa dia malemy, ‘ndraindray maniasia
(Malemy aho indraindray)
Fa anarinao am-pahendrena tsy ho ratsy fiafarana
Ka raha ho avy Ianao dia izaho no hitsena
Tsy ho diso fanantenana
Nanganohano aho raha nandinika
Ny lasako Jesosy ô!
Ianao ‘Lay tsy nanilika ity zandrinao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Tanora Masina ItaosyVangy : 315
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Raintsoa
Daty : 11/04/2025 20:31
