Safidinao (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mendrika aho Tompo o! Na dia ny hiantso ny Anaranao
Mbola izao tontolo izao indraindray no manjaka ato amiko
Nefa dia nofinidinao
Fantatrao tsara ny andinim-piainako
Be ireo fahalemeko ka menatra Anao aho

Fantatro Ianao fa tsy tonga (Fantatro Ianao fa)
Hiantso ny olo-marina (Tsy hiantso ny olo-marina)
Fa ny mpanota hibebaka ireo izay toa ahy (Fa ny toy ahy)
No tena ilaiNao
Raha ny amiko aloha dia izao (Raha ny amiko aloha)
Manaiky ny ho safidiNao (Dia manaiky Anao tokoa)
Ka hamita ireo Asanao hitory ny Teninao (Fa hanao ny Asanao)
Hanandratra avo Ilay Mpamonjy izay nifidy ahy

Raiso fa atolotro ho Anao avokoa ny amiko
Tsy handraraka ilom-by an-doha Anao, izay no tanjoko
Ka na inona hihatra sy hanjo
Hijoro ho vavolombeloNao tokoa
Sokafako mba hitoeraNao ny foko

Fantatro Ianao fa tsy tonga (Fantatro Ianao fa)
Hiantso ny olo-marina (Tsy hiantso ny olo-marina)
Fa ny mpanota hibebaka ireo izay toa ahy (Fa ny toy ahy)
No tena ilaiNao
Raha ny amiko aloha dia izao (Raha ny amiko aloha)
Manaiky ny ho safidiNao (Dia manaiky Anao tokoa)
Ka hamita ireo Asanao hitory ny Teninao (Fa hanao ny Asanao)
Hanandratra avo Ilay Mpamonjy izay nifidy ahy

A/C : Miora (Jona 2021)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 124
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Anahy
Daty : 20/03/2024 16:13
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0738